JESOA, ANDRY IANKINAKO

APAL EKAR BEMASOANDRO

JESOA, ANDRY IANKINAKO


Jesoa ô (Ry Jesoa) mamindra fo amiko raha sitrakao
(Noho) Ny tsy fahamendrehako teo Aminao
Koa inty aho re mivalo (aminao)
Mitalaho famindram-po : inty aho fa vonona ny hanao ny sitrakao


Jesoa ô (Ry Jesoa), Toy ny ahoana re ny fiainako
(Raha) isan’ireo tsy nahalala Anao akory
Soa tokoa fa teo Ianao (nanaiky)
Manome famindram-po, hiezaka aho ho mendrika ny fo navaozinao


Jesoa ô (Ry Jesoa), maniry indrindra aho ny tsy hivily
(Mba) Tanonao re mba tsy hivena eny an-dalana eny
Efa hifonako Aminao (tokoa izao)
Ny ota vita hatrizay, mino aho fa voavelanao ny heloka natao


REFRAIN
Ô ô ô ry Jesoa, Andry iankinako (sy fialofako),
Vatolampy mahafaka ahy sy mahavonjy ahy,
Ô ô ô ry Jesoa, Ao moa mba iantrao (raha sitrakao) ry Jesoa be fitiavana
Mba ho mendrika indray


·