Jeso, sambatra aho manana Anao

Riampeon' Ny Maritiora

Jeso, sambatra aho manana Anao


Fantatro mazava tsara
fa izay miarak’amin’i Jesoa dia mahery
Satria Izy Mikarakara
ary Izy momba sy mijery.


Izaho aloha tena mahatsapa
ny fombàn’Ilay Tompo Tsitoha
Fa ny zava-drehetra
momba anao,momba ahy
dia hainy atao avokoa


Ref : Jeso, sambatra aho manana
manana Anao Jesoa mitarika ahy
Na dia misy aza ny olana,
tsy mba kivy ny fo, saina, fanahy
satria eo foana Ianao mampahery ahy


Raha Jesoa no iankinanao
dia ho maivana tokoa ny entanao
Milamina fotsiny ianao
Fa Izy no hiady, hiady ho Anao


Izaho aloha tena mahatsapa
ny fombàn’Ilay Tompo Tsitoha
Fa ny zava-drehetra
momba anao,momba ahy
dia hainy atao avokoa


Ref (x4) : Jeso, sambatra aho manana
manana Anao Jesoa mitarika ahy
Na dia misy aza ny olana,
tsy mba kivy ny fo, saina, fanahy
satria eo foana Ianao mampahery ahy


Ouh ! ouh ! ouh ! ouh !
Sambatra aho Jeso


·