JESO REHAREHAKO (Eb)
Feon'ny fiderana
JESO REHAREHAKO (Eb)
Ianao Jeso no reharehako
Ianao Jeso no tokiko
Ianao Jeso no hanoherako
Ireo fakam-panahy ety
Na dia efa niakatra any an-danitra aza Ianao
Ny maso no tsy mahita ny endrikao
Fa ny tananao no miaro isan’andro
Isan’ora tsy mba narianao
Na dia efa niakatra any an-danitra aza Ianao
Ny hira fiderana tsy mba hitsahatra
Fa hisandratra hanaka-danitra
Ho any,ho any an-danitra