Jeso no Mpanjaka

Antoko Mpihira MORIA

Jeso no Mpanjaka


Ho Anao ho Anao ry Jeso zanak’i Davida ô
Ny hosana fiderana ho Anao mandrakizay
Ravanao ny hajambana izay nahamaizina izao tontolo izao
Mazava lehibe no he atolotrao


Mivelatra izao ny lamba
Ho fandiavan-tongotrao
Ho marika sy fanajana
Fa Anao izao tontolo izao
Ianao, Ianao
Ianao Jeso ilay Mpanjakanay doria


Asandrato ny feo ry olombelona mpanota ô
F’indro tonga ho antsika famonjena lehibe
Raiso ao am-ponao izao
Fa tsy ho very ny ainao
Lanjany avokoa ireo ratsy vitanao


Vahoaka maro no mifaly
Manandratra hosana ao
Fa afa-gadra afa-jaly
Ka zovy no tsy hidera izao
Ianao, Ianao
Ianao Jeso ilay Mpanjakanay doria.


·