Jeso mandondona
Ny Antso (FDL Ambatonjara)
Jeso mandondona
Prelude
Jeso Mandondona,
Ao Am-Baravaran’ny Fonao,
Te Hiditra Ao,
Hanjaka Ao Raha Sitrakao,
Hanaisotra,
Ny Tsy Fahatanterahanao,
Hamongotra,
Izay Rehetra Tsy Avy Aminy
Manatsotra Tanana Izy,
Te Hanarina Anao,
Hanova Anao,
Ho Tonga Olom-Baovao,
Handravona,
Sy Hamitram-Pihavanana,
Hananan’ny Olona,
Anjara Ao
Amin’andriamanitra Ray
Ampandrosoy Jeso,
Hanjaka Ao Am-Ponao,
Ho Tompo Sy,
Mpamonjy Ny Fiainanao,
Apetraho Aminy,
Ny Enta-Mavesatrao,
F’izy Hanome,
Anao Ny Fitsaharana
Interlude
Jeso Miantso Anao Anio,
Ho Anao Izay Miasa Fatratra,
Ary Koa Ho Anao,
Izay Mavesatra Entana,
F’izy Hanome,
Anao Ny Fitsaharana,
Ary Fiainana Feno Fiadanana
Aoka Ho Fantatrao Anefa,
Fa Ny Fiadanana Izay Omeny Anao,
Dia Tsy Trano Na,
Fiara Vola Mety Ho Lany Fa,
Fiadanam-Po,
Sy Filaminan-Tsaina Koa,
Ary Fiainana,
Maharitra Mandrakizay
Ampandrosoy Jeso,
Hanjaka Ao Am-Ponao,
Ho Tompo Sy,
Mpamonjy Ny Fiainanao,
Apetraho Aminy,
Ny Enta-Mavesatrao,
F’izy Hanome,
Anao Ny Fitsaharana,
F’izy Hanome,
Anao Ny Fitsaharana