JESO INDRO NY TENAKO

Ampifafi

JESO INDRO NY TENAKO


1- Jeso, indro ny tenako anio
Atolotro ho Anao
Mbola tena maloto anie izy io
Raiso ka mba sasao


ref:Andriamanitra ô!
lanao mpanadio
Mba ekeo ity tenako tsy tsara
Hafoiko ho Anao, ka mba ampiasao


2- Jeso, Indro ny foko anio
Atolotro ho Anao
Mbola ratsy loatra anio izy io
Raiso ka mba ovao
Andriamanitra ô!
lanao mpanavao
Mba ekeo ity foko izay tsy tsara
Hafoiko ho Anao ka mba iasao


3- Jeso, Indro ny fanahiko
Atolotro ho Anao
Feno pentimpentine anie izy io
Raiso ka mba fotsio
Andriamanitra ô!
lanao mpanadio
Mba ekeo ity fanahiko tsy tsara
Hafoiko ho Anao ka mba iraho


ref:Andriamanitra ô! lanao tokiko
Mba ekeo ity tenako, Fo sy Fanahy
Sasao sy ovao ka mba hanjakao


·