JESO FITIAVANA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

JESO FITIAVANA


Ry Jeso ô, tsy takatry ny saiko ny halehiben’ny fitiavanao
Fa rehareha sy tena fototry ny aiko, manavotra ahy ho olom-baovao


He! Mamiko sy tiako hiraina ilay hira soa ny fitiavanao
Ny tena sy fanahy ary saina Jesosy ô, hihira ho Anao


Ry foko ô, moa nisy antenainao hanala ny mahory izay manjo
Jesosy re no tena fiainam-baovao manafaka ny sentosentom-po


Ry mino ô, hirao ilay hira kanto mitory ny fitiavan’i Jeso
Venteso re, venteso tsy miato fa Izy no Fitiavan-dehibe


·