Jeso Fananako

Ny Ambasadôrà

Jeso Fananako


Tsy manana atolotra fa hoe mahantra loatra
Tsy misy hitarainana, miady mafy @fiainana
ô!iza no mpangoraka? Izao izahay efa trotraka
Very fanantenana, tsy misy hifaharana


Ref: Ho kivy ve ho sanatria,
manana Anao Mpamonjy tia

Hiantoraka eo Aminao, ho eo an-tratranao

Na handao ireo havana,
Na hahafoy koa ireo namana

Ianao no fananako, am-pelatanako


Ny harena mora potika,Ny laza voninahitra
Tsy azo hianteherana, mandalo sy miserana
Jeso no antenaiko, manome izay ilaiko
Tsy misy izay tsy vitany, ny maty aza natsangany


Ref: Ho kivy ve ho sanatria,
manana Anao Mpamonjy tia

Hiantoraka eo Aminao,
Ho eo an-tratranao

Na handao ireo namana na hahafoy koa ireo havana Ianao no fananako, am-pelatanako


Hiroso hatrany izany dia
Na inona hanjo ety
Tsy misy hahasaraka Aminao
Na izao tontolo izao.


·