Jesôsy fitiavana
Artina
Jesôsy fitiavana
Olon’ory malahelo
Miady irery lava izao
Velona, miaina
Tsy mba nahalala Anao.
Ny fijerinao,
Tsy mba nandao
Ny tananao nanangana ahy
Nampiarina ahy tamin’ny vovoka
Ho mpandresy.
Ny antsonao nambabo ahy
Feno hery fiarovana
Jesôsy fitiavana.
Ref:
Inty izaho mpirenireny
Mitady fitsaharana!
Ny faniriako Anao mahery
Mandrava ny sakana.
*Ny fijerinao nanefy ahy
Ho olom-baovao
Jesôsy fitiavana. (X2)
Olon’ory malahelo
Voageja lava izao!
Ninam-boankazo voarara
Tsy mba nahalala Anao.
Ny fijerinao,
Tsy mba nandao
Ny tananao nanangana ahy
Nampiarina ahy tamin’ny vovoka
Ho mpandresy.
Ny antsonao nambabo ahy
Feno hery fiarovana
Jesôsy fitiavana.
Ref:
Inty izaho mpirenireny
Mitady fitsaharana!
Ny faniriako Anao mahery
Mandrava ny sakana.
*Ny fijerinao nanefy ahy
Ho olom-baovao
Jesôsy fitiavana. (X2)
…. Oooh! Ianao!, Ianao Jesôsy ô!
….
Ref: ….