Jesô Zoky

Groupe Lalao

Jesô Zoky


Ry Jesô zoky ô !
Taminao no nahavonjy anay
Fa efa latsaka tao anaty haizina
Ry Jesô zoky ô !
Maminay ny Anaranao
Manadio anay mpanota Ianao
Jesô ô, fitianavana


Ry Jesô zoky ô !
Sitrakay ny hanome ho Anao
Ny fonay manontolo eny raiso ho tranonao
Ny andronay Jesô
Ho Anao mandrakizay
Manadio anay mpanota Ianao
Jesô ô, Fitiavana


Ny ratra nentinao
Sy ny latsa niaretanao
Namela holatra mampiseho fitiavana
Ry Jesô zoky ô !
Tianay, malalanay
Manadio ny ota vitanay X2
Ianao Jesôsy ô !


A.C : AMS


·