JEROSALEMA VAOVAO

KT AMBATOVINAKY

JEROSALEMA VAOVAO


Na misamboaravoara ny alon-drano
Ka mampitebiteby ny andin-tsaina
Na dia mifofofofo ny rivo-doza
Ka mampivilivily ny sambonay ety
Tsy maintsy ho tody e! tsy maintsy ho tody
Ny dian’ny mpivahiny


Na inona hanjo; Jeso no manda fiarovako
Jeso no tokiko, Jeso no lalana izorako
Jeso hitondra ahy ho ao antanàna
Jerosalema vaovao


Tanàna volamena fonenan-tsoa,
Mamirapiratr’endrika lapasoa
Io ’lay tanàna vaovao ho vantaninay
Jesosy zoky be fitia no mpanjaka ao
Jerosalema ô! Jerosalema ô!
Iriko loatra Ianao


Raha hiala eto aho,
Ka hilaozako izao tontolo izao
Ny foko sy fanahy,
Hitoetra eo Aminao mandrakizay
Ny masoko hahita ny endrikao
Jerosalema vaovao


Edenan’olo-masina, Jerosalema (x2)
Tanànan’ny navotana, Jerosalema (x2)
Fiainan-danitra no ao, Jerosalema (x2)
Ka sambatra izay tonga ao, Jerosalema (x2)
Jerosalema vaovao


·