Jerosalema
Les Adeline
Jerosalema
Misy tanàna iray izay tiako loatra
Izay iriko ho hita indray andro any
Babo izany foko ka te hitroatra
Hahita ilay Jerosalema
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran’Andriamanitra
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran’Andriamanitra
Any no hahitako ilay Mpamonjy
Izay voavono noho ny amiko
Hiondrika aho mba hitsaoka
An’ilay mpanjakan’i Jerosalema
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran’Andriamanitra
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran’Andriamanitra
Tananam-pifaliana izany
Izay tsy hahitana ranomaso
Any no hifaly ireo voavonjy
Hidera sy hankalaza an’Andriamanitra
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran’Andriamanitra
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran’Andriamanitra