JEREONAREO NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

JEREONAREO NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA


Jereonareo ny fitiavan’Andriamanitra
Very re isika rehetra
Fahoriana tsy misy fetra
satria nanohitra an’Andriamanitra
Ray be fitiavana sy te ho havana
(Loza, loza, loza, tokoa ô)
Jereonareo, jereonareo
Ny fitiavana, ny fitiavana
Nitiavan’Andriamanitra (2) anareo
Jereonareo, jereonareo
Ny fitiavana (2)
Nitiavan’Andriamanitra antsika ry zareo


Jereonareo ny fitiavan’Andriamanitra
Voninahitra aman-daza
Hazo fijaliana koa aza
Tsy nahasakana ny lahitokana
na nampihemotra mba hanavotra
(Tia, tia, tia, tokoa ô)
Jereonareo, jereonareo
Ny fitiavana, ny fitiavana
Nitiavan’Andriamanitra (2) anareo
Jereonareo, jereonareo
Ny fitiavana (2)
Nitiavan’Andriamanitra antsika ry zareo


Jereonareo ny fitiavan’Andriamanitra
Saino sao manody sakaiza
na mankaiza re na mankaiza
mahafinaritra ny mieritreritra
sy ny mihevitra an’Andriamanitra
(Mamy, mamy, mamy, tokoa ô)
Jereonareo, jereonareo
Ny fitiavana, ny fitiavana
Nitiavan’Andriamanitra (2) anareo
Jereonareo, jereonareo
Ny fitiavana (2)
Nitiavan’Andriamanitra antsika ry zareo


·