Jereo ny lanitra ambony

Nono Robel

Jereo ny lanitra ambony



  1. Mainty ve ny hoditrao
    Ka atao tsinontsinona ny maha ianao anao
    Eny na toy ny biby mizaka ny mangidy
    Misy kilema ve amin’ny toe-batanao
    Ka kivy ambony ihany, reradrera-tsaina
    Toa mila hamono tena.


Réf :

Jereo ny lanitra ambony raha toa ianao oriory
Mijalijaly eo amin’ny fiainanao mandalo ety
Fa ao ny Tomponao vonona hatrany hamaly ny fivavakao
Sy hamonjy amin’izay manjo anao.




  1. Ts’isy mpitia ianao fa hala mahantra sy ratsy
    Mitomany foana, voalatsalatsa hatrany
    Nefa re mitraka !
    Maty ‘reo namanao noho ny tolona
    Nataony mba hitakiana fahafahana
    Ka dia misaona ianao.


                                                                                                  Nonot  Robel



·