Jereo Jesoa

FEOMAFI

Jereo Jesoa


1- Ny aloky ny lasa ve sa ny hetraketraky ny tany?
No mahatonga anao mitanondrika toy izao
Tsy fantatrao angaha raha mbola miaina eto an-tany tsy maintsy misy ny tomany
Nefa io aizina io dia misy fetrany ihany
Tsy ho mandrakizay ny fahorian’ ny tany
Fa mihelina ihany


Ref:
Jereo Jesoa lay tsy mandao anao
Jereo Jesoa dia hivaha ny olanao
Ny fanahianao rehetra apetraho eo aminy
Dia ho hitanao ny maraina vaovao



  1. Ny gejan’ ny satana ve sa ny akoran’ ny tany?
    No mahatonga anao mihemotra toy izao
    Tsy tsapanao angaha ny tanany mitsotra mandamina
    Ny fiainanao isan’ ora
    Satria tiany ianao ka omeny fiainam- baovao
    Jerosalema vaovao no lovanao raha mibebaka ianao


……


·