JEHOVAH TOMPO MASINA O

TCR (Tarika Christophe Ratrema)

JEHOVAH TOMPO MASINA O


1- Jehovah Tompo Masina o
Isaoranay Ianao,
Fa narovanao izahay
Ka tratr’izao anio izao.
Ny fonay no asandratray
Mba hiderana Anao;
Raisonao ka anjakao,
Hanao ny sitraponao


Tompo o, tongava re!
Ka roahy ny haizim-be
Mialoka ao anatinay,
Ka hazavao ny dianay.
Mba averenonao indray
Ny hafaliana tsara
Natolotrao mba ho anay
Mamerovero ravintsara.


2- Fanahy Masina Tsitoha
Ny foko mba tohano,
Ho mpiambina mifoha!
Ny ratsy koa sakano.
Handresy fa fehezinao,
Ka tsy ho resy intsony;
Ny dia manomboka eto izao
Ho tonga hatrany ambony.


·