Jehovah ô, Ray Fitiavana

Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)

Jehovah ô, Ray Fitiavana


1/
Jehovah ô, Ray fitiavana
Ianao no Andriamanitra Tsitoha
Ka mendrika fankatoavana
Fa lehibe sy manank-kery Tsitoha
Avy Aminao ny fitiavana
Nanambatr’ireto olon-droa, nampiray
Koa mba tahio izao fifankatiavana
Haharitra ho doria mandrakizay


Refrain :
Ny tokantrano miorina amin’ny fitiavana
Mitovy amin’ny fitavany
Fitiavan’Ilay Mpamonjy tia
No hany mafy tsy rava
Maharitra fitsapana
Tsy mba manahy, feno toky
Ho aro no iriana hanorenanareo ny tokantranonareo


2/
Miavaka ny fitiavana
Fa mamerovero hasambarana
Mampiombona koa, mampihavana
Ireo fo mifanaiky hiara-dalana
Masina koa ny fitiavana
Fa maneho ny hatsaran’Andriamanitra
Mba ho tarafina amin’ny finiavana
Hanaja ilay voady mba haharitra


·