JAMBA AHO TALOHA

Solofon'i Jese Fahazavana (SJF)

JAMBA AHO TALOHA


Efa ela aho no olo-jamba
Tsy mahita akory zay aleha
Fa maizina avokoa zao retra retra izao
iza re no mba hanafaka ahy


Jamba ny masom-panahiko
Tsy misaina akory zay atao
Narapaka avokoa zao ota retra izao
Moa ve tsy toa ny maty aho


Dia mangataka aminao Tompo Mpanjaka
Mba hazavao aoreno ny fiainako
Matoa mahiratra ny masoko de
Ny lalanao no lalako


Soa fa teo Jeso ka fantatro
Fa mitsinjo ahy isanandro
Adinoko avoko reo fahoriako
Sambatra aho mahita sy mandre


Misaotra anao aho Ry Tompo sy Mpanjaka
Na jamba aza ny masoko taloha
Mahiratra aho izao ka hitako
Ny làlana hizorako


SJF


·