Jaly

Rija Ramanantoanina

Jaly


Lehilahy: Ranomasina io jerena
Fafao ny maso, (2)
Fa hilefa tsy ho terena
Izao hankaso,(2)


Dia io lanitra io fihino

Bitsiho hamiratra
Fa hafana taratra
Feno ditsoky ny maso
Izay miseho mba tsy aninona ny fo

Avy eo dia mitsikia
Resao ilay fonao tia
Fa hiova taratra io
Ho manga lanitra

Vehivavy: Ka izay ritsoky ny jaly,
Soraty ho vazo
Ho sary kalo
Fa ny hihira hifamaly
Ny fo sy ny maso (2)


  Dia hikiaka ny ao anaty

Hamaky lanitra
Ilay farim-parina
Ho voafafa ny andro lasa
Ho toy tsy niseho
Izay angany ho tsy ho reha

Ny vavakao ampio
Iankino Jesoa tia
Fa fantany ny jaly fony izy tety

Miaraka: Ka izay ritsoky ny jaly
Soraty ho vazo
Ho sary kalo
Fa hihira hifamaly
Ny fo sy ny maso (2)


Dia hikiaka ny ao anaty amaky
lanitra ilay farim-parina
Ho voafafa ny andro lasa
Ho toy ny tsy hiseho
Zary angano tsy ho reha


Ny vavakao ampio
Iankino Jesoa tia
Fa fantany ny jaly
Fony izy tety


·