IZY NO VATOLAMPIKO

AMPIZIFA

IZY NO VATOLAMPIKO


Izy no Tompoko, Andriamanitro
Heriko, tanjako, Izy re no ahy
Na mitoetra na mandeha, Izy tsy mandao
Ny fiainako, ny amiko, tsinjoviny avokoa


Ka na misedra izay mafy aho ety, tsy hihemotra
Na maro koa ireo ‘zay tsy tia, ho Azy ho doria
Ka na misedra izay mafy aho ety, tsy hihemotra
Na maro koa ireo ‘zay tsy tia, ho Azy ho doria


Ny fahavelomako, hanompoako Azy
Omeko ho Azy re izay hananako
Ireo talenta nomeny ahy, hiderako Azy
Hasandratro ny hirako ho voninahiny


Ny fiderana Azy, tsy hatakaloko, tsy soloiko
Fa mandra-maty re Izy no Vatolampiko
Ny fiderana Azy, tsy hatakaloko, tsy soloiko
Fa mandra-maty re Izy no Vatolampiko


Izy no tsy miova, tsy mivadika
Manome fiainana mahavelona
Izy koa tsy miangatra, tsy manavaka
Fitiavana mandrakizay no atolony ho ahy


Ny fiderana Azy, tsy hatakaloko, tsy soloiko
Fa mandra-maty re Izy no Vatolampiko
Ny fiderana Azy, tsy hatakaloko, tsy soloiko
Fa mandra-maty re Izy no Vatolampiko
Izy no Vatolampiko
Izy no Vatolampiko


·