IZY NO MPANAFAKA

AMPIZIFA

IZY NO MPANAFAKA


Raha misy mampahory ianao eo amin’ny fiainanao
Tsy hahitana vahaolana hatramin’izao
Na aretina, na adim-piainana saro-bahana dia:
Izao no ataovy dia hovonjena ianao:


Ny Ray sy Zanaka, Fanahy no hametrahanao
Ny ady sy izay rehetra mampahory anao
Fa Andriamanitra Mahery tsy mamela anao irery
Izy ihany no Mpanafaka


Ny Ray sy Zanaka, Fanahy no hametrahanao
Ny ady sy izay rehetra mampahory anao
Fa Andriamanitra Mahery tsy mamela anao irery
Izy ihany no Mpanafaka


Diso hevitra izato ianao re ry havako รด!
Raha ny sampy sy ny ody no hiankinanao
‘Zay tsy hahitana soa akory, fa vao maika mampahory
Ka ialao fandrao ho very ianao


Ny Ray sy Zanaka, Fanahy no hametrahanao
Ny ady sy izay rehetra mampahory anao
Fa Andriamanitra Mahery tsy mamela anao irery
Izy ihany no Mpanafaka


Ny Ray sy Zanaka, Fanahy no hametrahanao
Ny ady sy izay rehetra mampahory anao
Fa Andriamanitra Mahery tsy mamela anao irery
Izy ihany no Mpanafaka


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·