Izy no fidiko
SALOMA Ambolokandrina
Izy no fidiko
Raha mbola misy andro iray
Omen’ny Tompo anio ho ahy
Dia hiderako Azy hatrany
Raha mbola tany koa ny tany
Raha mbola misy ihany koa
Izay zavatra tsy takatro
Nefa tonga eo amiko
Dia izy hatrany no hiraiko
Ref:
Izy no fidiko
Hamaha ny olako
Izy no antsoiko
Raha ory ny ao am-poko
Andriamanitro
Sy mpamonjiko
Ilay nifidy ahy hatramin’izay