Izy irery

Samoela

Izy irery


Izy irery ‘nge sisa no teo
Ny ambiny efa lasa fa leo
Izy irery ihany sisa tavela
Ny hafa efa dila efa ela oh
Izy irery ihany hatramizao
No mbola miandry sy matoky anao
Izy irery ihany no tsy mety miova oh
Mbola mino fa hiverina ny rova


Izy irery ‘nge sisa no eto
Efa nirodana no sady marefo
Izy irery sisa mamisavisa
‘Lay kozinao, ‘lay hoe paradisa oh
Efa tsy manja izy, rarany sisa
Efa resy izy, resin’ny adrisa
Izy irery ihany no mbola manantena hoe
Mbola hiova ilay nivadika hôrera


Niandry anao izy e, nitady anao izy e
Nanantena vola sy harena avy aminao
Nihevitra azy ho mpandresy izy e,
Nihevitra azy hoe Fetsy izy e
Nefa ianao efa nahazo vaovao


Sasatra teo izy e, nihahaka teo izy e
Nilazaonao, nokafarainao, nataonao lao
Nanantena ny tsy hita izy e, sendra izay boto alika izy e
Tsara fika nataony nahita fa sipa mivika eee


Niandry anao izy e, nitady anao izy e
Nanantena vola sy harena avy aminao
Nihevitra azy ho mpandresy izy e,
Nanantena hoe Fety izy e
Nefa ianao efa nahazo vaovao


Sasatra teo izy e, nihahaka teo izy e
Nilazaonao, nokafarainao, nataonao lao
Nanantena ny tsy hita izy e, sendra izay boto alika izy e
Tsara fika nataony nahita fa sipa mivika eee


·