Izy ilay tokana

Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa

Izy ilay tokana


Aoka izay ny tahotrao , fa fandresena ho antsika izao
Ny fahotana vitanao, efa voadion’ny rà nalatsany
Velona ny tomponao , mahery vaika ny heriny
Dia ireo nanjo azy, niaretany ho famonjena anao


REF : Rava , ravany ny fasana ,voakodia ny varavarana
Tsy nahatana azy intsony , ny fahafatesana
Nasehony, nasehony ny heriny ho fantatry ny olombelona
Fa izy , izy ilay tokana voahirak’Andriamanitra


Koa mandehana ianareo, torio eran-tany ny lazany
Dia ireo vaovao mahafaly ,efa nampianariny anareo
Raiso ny hery avy any ambony, mampianara izao tontolo izao
Manaova batemy amin’ny anarany , tandremo izay nandidiany anareo


REF : Rava , ravany ny fasana ,voakodia ny varavarana
Tsy nahatana azy intsony , ny fahafatesana
Nasehony, nasehony ny heriny ho fantatry ny olombelona
Fa izy , izy ilay tokana voahirak’Andriamanitra


·