Izy ilay Mesia

FinTana

Izy ilay Mesia

Fa mpamonjy no teraka, ao an-tananan’i Davida
Ao Betlehema, tao an-tranon’omby
No hany tokana nandraisana Azy
Ny lanitra hanambara, fa Izy ilay mpanjaka
Be voninahitra, ho deraina ny anarany
Voasoratra ny zava-drehetra, fa Izy ilay mesia
Mizara fitiavana ho famonjena
Hosana, hosana, hosana ho Azy
Voasoratra ny zava-drehetra, fa Izy ilay mesia
Tonga Izy itady sy amonjy izay very

Avia ry mino, mba hifaly sy hioby ankalaza Azy
Hidera sy hisaotra, ho feno fifaliana
Hiravoravo ny fianakaviana
Fa tonga ilay andro malaza,
Sy lehibe, masina tokoa
Aleloia, Hosana ho Azy irery ihany

Rain-t

·