Izy ihany no Andriamanitra

azofi fjkm ambohipo

Izy ihany no Andriamanitra


Na ho aiza na ho aiza
Na rovina na rovina e
Hitady hatraiza hatraiza
Eto an-tany ka hatrany andanitra ee
Hiodina hiankavia, hiodina ankavanana ee
Ilay nahary ity tany ity
De tsy iza fa A ndriamanitra eee


Ref : izy ihany no Andriamanitra ee, Nahary izao hita izao
Ny tany sy ny lanitra ee, Samy fananany
Iray ihany no Andriamanitra ee
Tsy misy afa-tsy Izy ihany
Hitany nafinaritra een ny asan’ny tanany


Mbola antanany foana foana
Izay rehetra asan’ny tanany e
Azy koa ny fotoana
Andriamanitry ny fahagagana ee
Isika mila misaintsaina ee, raha ravaina izao tany izao
Lay fanahy ambonin’ny aina
Aiza no hiafarany ?


·