Izy hiady ho anao

Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo

Izy hiady ho anao


Avo loatra ve ny tendrombohitra hiakaranao
Lehibe loatra ve ny rano zay hiampitanao
Toa tsy azonao zay anjara masoandro kely
Moa mihaino Andriamanitra, miaro ve ny anjely


Raha Jehovah no momba antsika, iza no ahatohitra antsika ?
Na betsaka aza ny ady atao ety an-tany
Raha toa be fahavali dia lazao mafy hoe
Izaho manantona anao @ anaran’i Jehovah Tompon’ny maro


Lazaiko aminao marina dia marina tokoa
Fa na kely toy ny voantsinampy aza ny finoanao
Dia mahafindra tendrombohitra
Koa nahaoana ianao no mbola mitanondrika


Raha Jehovah…
Mahereza sy matanjà
Aza matahotra, aza manahy
Fa Jehovah Tomponao no momba anao
Izy hiady ho anao


Raha Jehovah…
F’Ilay Jesosy anie eo foana hiaro
Izy vonona hatrany hiady ho anao


A/C: Fitiavana Rbrl


·