Izy Fiadanana

Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)

Izy Fiadanana


1/
Injany feo miako avy any an-danitra any
Maredona manako hatrety an-tany
Maneho fanambarana fa he tonga ny Mesia
Hitondra ny hazavana sy hamonjy ireo mpania


Refrain :
Ambaranay hiely ho ren’izao tontolo
Fa ny andro noely, tsy manam-paharoa
Teraka Jesoa tia, Ilay Tompo sy Mesia
Mpampihavana, Fitiavana
Izy Fiadanana


2/
Toa miendrika tantara, nefa tsy lefy laza
Ilay mpamonjy nambara, Tompo feno haja
Avy Izy mba hamory ny ondry rehetra very
Hampifaly ireo ory, handresy sy hahery


3/
Masoandrom-pitsikiana ho an’ny reraka am-po
Famonjen-tsy vidiana no entin’i Jesoa
Manerana ny tany ny hery sy fahefany
Ho afaka ny tomany fa ho fafàny


·