Izy

T.I.A Andraisoro

Izy


Izy no lalana fahamarinana ary fiainana
Izy no Tompo ilay azonao hitarainana
Izy no azo itokiana hahatonga an-tseranana
Izy miantso mpanota sy manolo-tanana


Hanjohy ny diany
Ianao ilay tiany
Mirosoa manaraha
Ireo namatotra ho voavaha


Manatona mba ho sasany
Hodioviny amin’ny rany
Ialao ireo ratsy fanao
Zay manimba ny fiainanao


Ndao ndao hiaraka
Hifampitantana tsy hisaraka
Ndao ndao ndao hiara-dia
Iray lalana amin’i Kristy
Lalana ho any amin’ny Ray
Lay fiainana mandrakizay


Izy mitarika sy mitondra ho amin’ny marina
Izy mihaino ireo nianjera ka manarina
Izy mitantana sy miaro tsy ho lavo indray
Izy mampianatra anao handeha ary koa hahay


Tsy hanao kitoatoa
Hanompo Tompo roa
Hifona sy hitalaho
Tsy mamerina reo ratsy fanao


Manatona tsy hisalasala
Miandry anao
ny Tompo malala
Efa akaiky ny fiafarana
Sao variana na koa tamàna


Ndao ndao hiaraka
Hifampitantana tsy hisaraka
Ndao ndao ndao hiara-dia
Iray lalana amin’i Kristy
Lalana ho any amin’ny Ray
Lay fiainana mandrakizay


Izy nanomana ho anao fiainana vaovao
Izy no mampanantena ny lanitra ho anao
Izy milaza fa ny ety dia tsy mba ho doria
Izy miteny hoe mivonona raha ho ary


Miakara dieny izao
Mba tsy ho tara ianao
Fa fohy ny fotoana
Izao tontolo izao dia ho foana


Mifohaza raha matory
Kely sisa tsy hita akory
Ny ety dia mety ho vita
Araraoty dieny hita


Ndao ndao hiaraka
Hifampitantana tsy hisaraka
Ndao ndao ndao hiara-dia
Iray lalana amin’i Kristy
Lalana ho any amin’ny Ray
Lay fiainana mandrakizay


Henoy henoy, henoy ny filazako azy
Henoy henoy henoy ny filazako azy
Olona iray manantantara
No tiako holazaina sy tiako hambara
Raha mbola kely dia nahavariana
Satria raha niteny dia nahaliana


Nitoriteny etsy sy eroa
Ka maro dia maro no niova fo
Betsaka koa ireo fahagagana
Ka dia variana ny iray tanàna
Koa manatona sy mandrosoa
Hanaraka ny lalan’i Jesoa
Ndao ary hiainga tsy hitaredretra
Tsisy ho tavela tsika rehetra


Moa ka tsy izany va ? Marina any izany
Moa ka tsy izany va ? Marina any izany
Moa ka tsy izany va ? Marina any izany


Safidy roa no ho anao anie
Ny lanitra ve sa ny afobe ?
Lalana tery sa migodana ?
Ny fahendrena sa ny hadalana ?
Ny mahasoa sa ny mahafinaritra ?
Ny vetivety sa ny maharitra ?
Ka ianao izay hanaraka ahy
Tsy hisalasala tsy hiahiahy
Fa tokana ihany no ho fidiana
Ny iray kosa dia aoka ho ariana
Dia miomana fa lasa izao
Ho amin’ny fiainana vaovao


Moa ka tsy izany va ? Marina any izany
Moa ka tsy izany va ? Marina any izany
Moa ka tsy izany va ? Marina any izany


Ndao ndao hiaraka
Hifampitantana tsy hisaraka
Ndao ndao ndao hiara-dia
Iray lalana amin’i Kristy
Lalana ho any amin’ny Ray
Lay fiainana mandrakizay


Ndao ndao hiaraka
Hifampitantana tsy hisaraka
Ndao ndao ndao hiara-dia
Iray lalana amin’i Kristy
Lalana ho any amin’ny Ray
Lay fiainana mandrakizay


Ndao ndao hiaraka
Hifampitantana tsy hisaraka
Ndao ndao ndao hiara-dia
Iray lalana amin’i Kristy
Lalana ho any amin’ny Ray
Lay fiainana mandrakizay


Izy no lalana fahamarinana ary fiainana


·