Izay mangina
Joseph d'Af
Izay mangina
Ny mangina ve?, midika fa…
Resy an’adin-tsarotra aho, ka tsy sahy
Fa ny famaliana tsy ahy irery, fa an’i Jehovah
Itokiko ny ahy e, mpiady ho ahy.
Na ho atao tsinontsinona
Lazaiko hoe: tsy maninona
Fa na dia voatsindrona.
F’izaho tsy mba hanohitra
Handrehitra fahatezerana
Fa fahendren’ny lanitra.
Ref:
Fa mpandresy aho e!, tsy mba resy aho e!
Fa mangina e!, satria volamena e!
Re ny Tompo anie, re ny Tompo anie
Ireo gina am-po ny zanany.
….
Fahatsaram-panahy, fahatsoram-po
Izay mandefitra ve no atao hoe vendrana.
Fa ny ahy, dia fantatro, fa izy hanomana
Fandresena ho ahy, izay tena enjana.
Na ho atao tsinontsinona
Lazaiko hoe: tsy maninona
Fa na dia voatsindrona.
F’izaho tsy mba hanohitra
Handrehitra fahatezerana
Fa fahendren’ny lanitra.
Ref:
Fa mpandresy aho e!, tsy mba resy aho e!
Fa mangina e!, satria volamena e!
Re ny Tompo anie, re ny Tompo anie
Ireo gina am-po ny zanany.
….
Na ho atao tsinontsinona
Lazaiko hoe: tsy maninona
Fa na dia voatsindrona.
F’izaho tsy mba hanohitra
Handrehitra fahatezerana
Fa fahendren’ny lanitra.
Ref: …. (X2)
Ireo gina am-po ny zanany.(x2)