Izay mandao
Ny Ainga
Izay mandao
Izay mandao an’ireny rehetra ireny
Tadidio tsara re, rankizy
Mbola handray ny zato heny
Eto an-tany sy am-paradisa
Ilay tanana soa nidolana
Irony saha maro nolovana
Dia nafoinay mantsy ireny
Noho i Jesoa irery ihany
Izay mandao an’ireny rehetra ireny
Tadidio tsara re, rankizy
Mbola handray ny zato heny
Eto an-tany sy am-paradisa
Zandry tiana any mantsy izay
Mitomany fa tsy mahafoy
Dia nilaozanay izany
Noho i Jesoa irery ihany
Izay mandao an’ireny rehetra ireny
Tadidio tsara re, rankizy
Mbola handray ny zato heny
Eto an-tany sy am-paradisa
Dada tiana any an-trano any
Ary i neny izay namalifaly
Dia nilaozana izany
Ho an’i Jesoa irery ihany
Indray hariva any lavitra any
Raha ho tapitra ny andronay
Tsy mba manana mpanotrona e!
Fa i Jesoa irery ihany.