IZAY MANAN-TSOFINA AOKA HANDRE

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

IZAY MANAN-TSOFINA AOKA HANDRE


Raha ny sofina no tsy handre satria miavina tapenana
Ka manimba zava-dehibe ka manjary hanenenana
Fa mba satrin’ny marenina ny aheno feo samy hafa
Tsy sitrany hamerimberenana hikia hanao mitafa


Koa asakasasakao zay manana sofina izay afaka handre
Tsy hahalala izay fananana ny niharenina ary ve
Fa nomena anao ny tsara andraisanao izay lazaina
Tombony (x2) no sady zara (zara)
Tandrovy aoka ho lalaina


Fahiny mantsy nisy feo niantso mafy tany an’efitra
Feo manjary mankaleo ho an’ireo tsy tia mandefitra
Feo tsy azo nosakanana milaza asa fiomanana
Miantso hanamboatra lalana, lalana ho an’ny fiadanana


Ny mikitaona ho totofana, ahetriko ny tendrombohitra
Ny lavadavaka rakofana sorohina izay mivohitra
Dia atao mahitsy izany ka ho lalam-baovao
Ho an’ilay (x2) mpanjaka tamy (x2)
Avy ao aoriana ao


·