IZAY MAHATOKY AN'I JEHOVAH

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

IZAY MAHATOKY AN’I JEHOVAH


Izay mahatoky mahatoky an’i Jehovah
Dia tahaka (x2) an’ny tendrombohitr’i Ziona
Izay tsy mihetsika
Izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay (x2)


Tahaka ny tendrombitra (Tendrombohitra)
Manodidina an’i Jerosalema (Jerosalema)
No hanodidina an’i Jehovah ny olony
Hatramin’izao ka ho mandrakizay


Jehovah, Tompon’ny maro ô!
Sambatra izay olona mahatoky Anao
Fa raha mamaky ny lohasaha, lohasaha maina izy
Dia ataonao misy loharano, loharano izany
Ary ny lohaorana manarom-pitahiana azy (x2)
Manarom-pitahiana azy


Miampy hery (x2) eo am-pandehanana izy
Samy miseho eo anatrehanao
Eo anatrehana’Andriamianitra
Any Ziona (x2) izy rehetra
(Samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Ziona)
Any Ziona izy rehetra


·