Izay iheverana ahy
Ny Fanilo
Izay iheverana ahy
Ry tompo oh, izaho manaiky anao
Amin’izay voasoratra ho ahy
Vonona aho hankato ny sitrakao
Tsy ny heriko fa amin’ny herin’ny fanahy
Ny fiainako ankiniko aminao
Ny hoaviko eo ampelatananao
Ianao mahalala izay iheverana ahy
Amin’ny fo no hanekeko anao
Tsy angovitra aho, tsy hanantahotra
F’ianao jesoa toky sy hery ho ahy
Na iza hanenjika na hitsara ahy
Tsy hiemotra aho fa hijoro hanompo anao
Ny fiainako… x2