Izay

Reko - Fy & His Band

Izay


Taloha be nefa
Vaovao be koa nefa
Mora hifandraisana tsy mankaleo


Tsy hitan’ny masoko kanefa
Fantatro ny foko toy ny efa any
Mifamatotra efa ela be


Izy tsy hevitra hifandresendahatra
Fa olona ho fantarina sy hifandraisana
Tsy hamoronako fombafomba


Izaho raha Andringitra izy tsy Ankaratra,
Fa izay misy ahy dia misy azy
Tsisy tsy hainy ze rehetra momba ahy


Ref :

Izaho tsy mino azy fotsiny
Fa tiako mintsy izy eeee
Tsisy resaka fa zay, zaaaay

Avo toerana kanefa
Mpanompon’ny rehetra
Satria aminy ny olona no tena harena


Tsy indray tsy indroa, tsy intelo tsy in-efatra
No efa nanary tena sy nilefa fa
Misy fitiavana mitady ireo zay very


Izy tsy hevitra hifandresendahatra
Fa olona ho fantarina sy hifandraisana
Tsy hamoronako fombafomba


Izaho raha Andrikgitra izy tsy Ankaratra,
Fa izay misy ahy dia misy azy
Tsisy tsy hainy ze rehetra momba ahy


Ref :

·