IZAHO TSY MANAHY

Vanintsoa

IZAHO TSY MANAHY


Na dia sarotra
Na sarotra aza ny lalana
Izaho tsy manahy
Fa ianao momba ahy e!
Na malama aza
Malama ka ts’isy ifaharana
Ianao mitaridalana e!
Izaho tsy manahy


Raha izaho aloha efa fantatro
Tsinotsinona ny hery sy tanjako
F’izay rehetrarehetra ananako, zanahariko ô
Tsy ahy ireny fa mbola nindramiko


Na ny fo sy fanahy izay ananako
Tiako hitoetra ho tsara sy mba ho soa
Ho fikiriko ianao ka ho tanako, zanahariko ô
Mbola lavitra manko ny lalako


Tonony sy feony : vanintsoa


·