Izaho sy Ianao

kiady

Izaho sy Ianao


Mbola hafa ihany ny anilanao
Feno fitia tena mafana akia
Sarotra amiko ny hanadino anao
Na dia lavitra aza indraindray ny elanelana
Ny alina mangina, ilay sarinao ataoko an-doha fandriana
Hampihaona ny eritreritra
Tsy andriko ny maraina ahitana anao
Hitantarako indray ilay nofintsika ho iray


Hikalo ao am-poko ao ilay fitia efa voatokana ho anao
N’aiza n’aiza, na rahoviana
Ianao irery ihany no antsoiko hoe:Tiana
Fa izao tontolo izao zava-poana raha tsy eo ianao
Ny andro ratsy anilanao anjary lohataona


Tena sambatra aho nomen’Andriamanitra anao
F’ianao mahatoky ahy, izaho tsy hanary anao
Sady ny antsika mitsaika milamina ihany
Fandalovana ety, atao matsiro ny fiainana an-tany
Ka na ho avy ary ny farany,
Izao hita maso izao potika sy foana
Izaho sy Ianao efa niara-tsambatra


Fa na iza hitabataba, izaho sy ianao noho izaho sy ianao
Valaka eo izy
Fa na iza himenomenona, ireo mpanaratsy no hanenina
Very eo izy


Atolotra ho an’izay mahafantatra ahy sy izay mpankafy io hira io


·