IZAHO RY JESOSY
STK FJKM Ambatomena Antananarivo
IZAHO RY JESOSY
Izaho ry Jesosy
1-Izaho ry Jesosy dia vonon’izao
Vonon-kitsangana hanaraka Anao
Ka nefa Jesosy malemy tokoa
Ka avia re tantano dia ho tafita soa
Fiv:
Jesoa Malala ô! (avia?) Mpamonjy tia
Raiso re fa ondry nania
Jeso tantano, tantano izahay
Tantano Jesosy sao ho very eto indray
2-Fa ny fahotako dia maro tokoa
Ka tsy mba mendrika Anao Tompo soa
Nefa ny avotrao tao Kalvary
Tokiko mandra-pialako ety
3-Ny foko Jesosy atolotro Anao
Mbola maloto kanefa sasao
Eny Jesosy sasao ho madio
Ao re mitoetra manomboka anio
4-Ny tenako rehetra dia vonona izao
Vonon-kanefa izay sitrakao
Aina no fetra hanarahako Anao
Raiso aho, Jesosy, ho mendrika Anao
5-Fanahy Masina ô! Tsinjovy izahay
Tsinjovy hahita ny lapan’ny Ray
Midina Jesosy aty aminay
Midina Jesosy ka raiso izahay