IZAHO MINO AN’ANDRIAMANITRA - APKM

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

IZAHO MINO AN’ANDRIAMANITRA - APKM



  1. Izaho mino an’Andriamanitra Tokana
    Ray Mahefa ny zavatra rehetra
    Nahary ny lanitra sy ny tany
    Ary ny zavatra rehetra, na ny hita maso na ny tsy hita maso

  2. Izaho mino an’I Jesoa Kristy Tompo Tokana
    Zanaka Lahitokan’Andriamanitra
    Teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra
    Andriamanitra avy amin’Andriamanitra
    Fahazavana avy amin’ny Fahazavana
    Andriamanitra Marina avy amin’Andriamanitra Marina
    Nateraka Izy fa tsy natao, iray fomba amin’ny Ray
    Ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra

  3. Isika olombelona sy ny famonjena antsika
    No nidinany avy any an-danitra
    Ary naka nofo tamin’i Maria Virijiny Izy
    Noho ny Herin’ny Fanahy Masina ka tonga olombelona
    Nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ho antsika indray koa
    Tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty, nijaly ary nalevina

  4. Nitsangan-ko Velona tamin’ny andro fahatelo
    Araka ny voalazan’ny Soratra Masina
    Niakatra any an-danitra dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray
    Mbola ho avy amim-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty
    Ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany

  5. Izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo Loharanon’Aina
    Avy amin’ny Ray sy ny Zanaka
    Tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka
    Ary niteny tamin’ny vavan’ny Mpaminany

  6. Izaho mino ny Eglizy, iray, masina, katôlika, apôstôlika
    Izaho Mankato ny Batemy tokana ho famelàna ny fahotana
    Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty sy ny fiainan-ko avy.
    AMEN! AMEN!


·