Izaho mbola mahatoky anao

Ny fanilo feat ny avo

Izaho mbola mahatoky anao


Na toa tsy ho azoko izay nantenaiko
Zaho mbola mahatoky anao
Na dia tsy anio ny valin’ny tarainako
Zaho mbola mahatoky anao
Ny mafy izay lalaovako anio
Manamafy ny finoako anao
Ny sarotra izay iainako anio ihany
Tsy ampiverindalana ahy


Fantatro fa ianao tsy hanary ahy
Fa lehibe ny fitiavanao
Ny ainao aza efa natolotra ahy
Mba ho fanavotana ahy


Ny foko dia hanandratra anao jeso
Ny vavako hidera anao
Ataoko sanatria ny hanome tsiny anao
Raha toa tsy mety izay atao
Satana dia nandositra avy hatrany
satria Zaho mbola mahatoky anao
Nandalo teo ny sento sy tomany nefa
Zaho mbola nahatoky anao


Ianao izay mety handalo ady koa
Tsy miady irery ianao fa mbola ao jesoa
Ilay vatolampin’ny fiainanao
Izy tsy hanary anao
Ianao izay mety…x2
Ny ainy efa nafoiny ho anao


·