Izaho Manaiky
Tanoran'ny Faritra Fahafito (TF7) - FLM TOBY FANANTENANA 67HA
Izaho Manaiky
Izaho manaiky
Izao manaiky Anao Ray Tsitoha
Ray Andriamanitry ny fanahiko
Tsy fihevitro re ny hevitrao
Nefa hay,làlam-piadanana
Zay nomaninao
mba hizorako hatramizao
• Raha ny lasako ninia tsy nandre
Ny antsom-pitiavanao Raiko o
Sitrapon’ny nofo no reharehako
Nihatsaravelatsihy Ray o
Zaho mifona Aminao
• Tsy mba nanafay an-ditra Ianao
Fa nosaronanao fitia ny otako
Sambatra ny foko fa noraisinao
Zao anio izao aho Raiko o
Zaho hiverina Aminao
• Raha ny hoaviko efa adidinao
Izay no toky mamy nomenao ahy
Tano aho ry Ray tsy hanahy ihany koa
Asehoy ny herinao Ray o
Zaho matoky ny asano