Izaho hidera

Rija Rasolondraibe

Izaho hidera


Manatitra saotra ny novimbininao
Fa mendrika loatra

Mendrika hoderaina Ianao

Tonga aho handihy fa nambininao

Ity hirako ity, handihizako ho Anao


Izaho hidera Anao, hankalaza Anao

Handihy toy ny tsy misy mahita anie aho

Handihy very anatin’ny Fitiavanao
Hidera Anao, Hankalaza Anao

Zaho efa nahita hoe Iza Ianao

Tsy misy mahavita izay vitanao


Na eny ambony tafo-trano

Na eny amin’ny hamo amin-jery

Na eny amin’ny elakela-trano

Handihy aho na misy na tsisy mpijery

Ho an’Andriamanitro

Lay Mpiady mahery hifikirako
Ho anao ry Ilay Tsi-toha

Ianao ilay heriko sy hirako


Ny mpiady sy ny soavaliny e

Rakotra tamin’ny halalin’ny e
Nihevitra fa mafy be

Nanam-patra ny heriny e

Tratry ny passe-ny e

Nisy nanidy ny ranomasina e


…Ndao hihira, Aleloia…

…Aleloia….


·