Izahay roa

Ndondolah sy Tahiry

Izahay roa


Sendra tiana , tsy foina tojo namana feno fitia
Mahita anao foana
Tsy irery aho, tsy mba kivy
Rehefa sendra irery iny aho
Lasa saina manembona izany
Tsaroko foana ilay isika nifananihany


Ianao ilay diamontra, saphira tsy foiko
Tsy ho atakalo,tsy mba inoako ho soloiko
Toa voakazo tsy mba fanary odiny
Tsy very, tsy ratsy fitia


Rehefa tonga ny hariva
Toa malaina hisaraka izany
Tsy andriko ny ampitso,
Hahitanao indray, ilay fitiavako mamy
Mila tsy hahita tory
Lasa embona, manembona izany
Tena zatra anao ny fo
Ny ampitso tsy mety ho androany


Ianao ilay diamontra, saphira tsy foiko
Tsy ho atakalo,tsy mba inoako ho soloiko
Toa voakazo tsy mba fanary odiny
Tsy very, tsy ratsy fitia


·