Iza re
Antoko Mpihira MORIA
Iza re
1-Iza re ireo misora-tena ireo
Ka mitondra ny anara-Masinao
Nefa anie miatsara ivelatsihy ireo
Fa tsy mety handray Anao Jeso
Ref:Tompo ô, tsy zohy anie
Hoy Ianao ny tranoko
Tsy fieren’ireo jiolahy
Izay mahay misandoka
Ka mamitaka ny ao am-pony
Sy mamono ny fanahiny
2-Maro anie ireo miseho ho mpianatrao
Ry mpamonjy tia ny fahamarinana
Nefa anie tsy sahy mijoro ho Anao
Fa manarona ny toetrany
3-Tompo ô, tsy mba famazivazy anie
Hoy Ianao ny fanarahan-dia Anao
Fa izay maniry ny ho mpianatrao
Dia mandao ny ota ratsiny