IZA NO VONONA

Mpanazava sy Tily eto Madagasikara

IZA NO VONONA


Iza no haolo-tena
Iza no hirahina?
Ka hanaiky tsy terena
na baiko izay harahina
Ho mpanompo, ho fanasina, fanilo
ka tsy handrarak’ilo
Iza no vonona hatrany hatrany
hanaiky ny Tompo, hanompo ka sahy
ho vavolombelona


Amin’ny asa fanompoana tsy mba mila tambiny
amin’ny fampandrosoana ny Tany tena maminy
Moa azo antenaina fa ny Tily no hitarika hanao hoe
“ny aiko, ny saiko no ampiasaiko, tsy antery fa ny hery ao anatiko ao hanompoako anao doria”


·