IZA NO HIAKATRA
STK FJKM Ambatomena Antananarivo
IZA NO HIAKATRA
Iza no hiakatra any an-tendrombohitra?
An-tendrombohitr’i Jehovah,
iza no hiakatra any?
Ary iza no hitoetra?
Ary iza no hitoetra any,
iza no hiakatra any
An-tendrombohitr’i Jehovah,
iza no hiakatra any
Ka hitoetra ao amin’ny fitoerany masina
Izay madio, izay madio,
izay madio tànana
Izay mahitsy fo, izay mahitsy,
izay mahitsy fo no hiakatra any
Ary handray ny fitahiana,
ny fitahiana avy amin’i Jehovah izy
Handray ny fitahiana izy (x2)
Ka iza no hiakatra any an-tendrombohitra?
An-tendrombohitr’i Jehovah
iza no hiakatra any
Ka hitoetra ao amin’ny fitoerany masina