Iza no hahasaraka antsika
Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa
Iza no hahasaraka antsika
Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ?
Fahoriana sa loza, fahaterena ,fanenjehana ,hanohanana ,fitanjahana sa sabatra ??
Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ?
Fahoriana sa loza, fahaterena ,fanenjehana ,hanohanana ,fitanjahana sa sabatra ??
Amin’izany rehetra izany anefa , dia mihoatra ny mpandresy isika
Amin’ny alalan’ilay tia antsika ( indroa )
REF : Satria matoky aho , satria matoky fa na fahafatesana na fiainana
Na ireo anjely na, ireo fanapahana , na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy
Na ireo fahefana ( Indroa ) Na ny any ambony na ny any ambàny
Dia tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
Izay ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika ( indroa )
Ref :
Dia tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
Izay ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika ( indroa )