Iza moa aho

Jaja

Iza moa aho


Ekeko Tompo ô, izay teny avy Aminao
Ekeko Tompo ô, ny ho mpanomponao
Ekeko Tompo ô, ho zanaka manompo
Toy ny an’i zazakely ho tena mpankatoha.


Ekeko Tompo ô, ireo hiraka atao
Ekeko Tompo ô, no miaramilanao
Ekeko Tompo ô, izay lalana ho aleha
Ambarako eto izao f’izaho manaiky anao.


Ref:
Iza moa aho? no mba hirahinao e!
Iza moa aho? no mba nofidinao ho irakao.
Iza moa aho? tsy mendrika anie aho e!
Natsanganao novonjenao hitory ny anaranao.
….
Ekeko Tompo ô, izay hanefenao ahy
Fa lalam-pamonjena handova fiainana
Ekeko Tompo ô, fa tsy tanteraka aho
Mangata-pamelana hifona aminao


Ref: …


Iza moa aho? no mba hirahinao e! eee! eh!
Iza moa aho? no mba nofidinao ho irakao.
(Tsy mendrika anao na dia hiantso ny anaranao aho e!
Natsanganao novonjenao hitory ny anaranao.)


Ôôô! ôh!, iza moa aho?
Iza moa aho? no mba hirahinao e!, Jesôsy ô!
Iza moa aho? no mba nofidinao ho irakao
Iza moa aho? tsy mendrika anie aho e!
*Natsanganao novonjenao hitory ny anaranao.(x2)


Ôôôôh!!!
Natsangana novonjenao… hitory ny anaranao!!


·