Iza iry ambony iry

Red Metal

Iza iry ambony iry


Iza iry ambony iry o
Iza iry ambony iry
Inona no ataony eny
Inona no ataony eny
Hanasoa ve i e

Sa hanalika
Hanasoa ve

Sa hamonjy antsika ?


Izahay ety ambany reraka sy noana
Ialahy ery ambony toa misôsy fôna
Izahay ety ambany anie mahantra be
Ialahy ery ambony toa misôsy be
Vahoaka anie leity efa tsy mihinan-kanina
Ialahy ery ambony toa mba mody fanina
Vahoaka anie leity ripaky ny aretina
Ialahy ery ambony toa tsy misy pentina


ô iza iza ô . ô iza no hamonjy anay ?
ô iza iza ô. Mba midina amin’ izay
ô aiza aiza ô .Ilay mâna nirotsaka avy any ambony
ô aiza aiza ô fa tsy andriko intsony


Iza iry ambony iry …. sns sns


·