Iza indray?

Feon'Kalvary

Iza indray?


Iza indray no hilazako ny fiainako
Afa-tsy ianao lay mpamonjy izao rehetra izao
Ianao irery ry Jeso no itokiko
Mba hitarainako raha toa misy izay manjo


Fatatrao daholo ny miafina ao am-po ao
Esory ao zay rehetra vokatra tsy avy Aminao
Ianao Jeso no iriko hitoetra ao am-poko ao
Hentiko hamakivaky izao fiainan’izao


Tiako jeso ny eo anilanao, tena azo antoka ny miaraka aminao
Indro Jeso fa omeko Anao ny fiainako rehetra ankiniko aminao


Ianao ihany no mba itokiako
Hametrahako izay mba faniriko
Tsy misy zavatra atahorako
Satria ianao no efa miahy ny fiainako
Eo aminao Jeso no mahatsara ahy
Satria ianao ihany no fiadanana
N’inon’inona mitranga sy miseho
Tsy mampanahy satria eo ianao eo anilako eo


Tiako jeso ny eo anilanao, tena azo antoka ny miaraka aminao
Indro Jeso fa omeko Anao ny fiainako rehetra ankiniko aminao x2


·